<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Inona no hahasaraka ahy
 Amin'ny fitiavanao, Jeso ?
 Fahoriana ve, sa ahiahy ?
 Fahantrana, sa famoizam-po ?
 Tsia, ry Jeso Tompo be fitia,
 Izaho tsy mivadika Aminao
 Fa mandrakizay doria doria
 Izaho dia hanaraka Anao.

[V2]
 Inona no hahasaraka ahy
 Amin'ny fitiavanao, Jeso ?
 Zo sy laza sy fakam-panahy ?
 Sa harena, zava-mora lo ?
 Tsia, ry Jeso ..sns.

[V3]
 Inona no hahasaraka ahy
 Amin'ny fitiavanao, Jeso ?
 Sabatra, sa fanenjehana
 mafy ?
 Sa mosary, ady be manjo ?
 Tsia, ry Jeso ..sns.

[V4]
 Inona no hahasaraka ahy
 Amin'ny fitiavanao, Jeso ?
 Faty ve no hampivadika ahy,
 Loza, hery, fahefana koa ?
 Tsia, ry Jeso ..sns.

[V5]
 Eny, izao rehetra izao,
 ry Tompo
 Tsy mba hahasaraka Aminao !
 Na inona hanjo ity mpanompo
 Dia hijoro, tsy handao Anao !
 Velona aho, Tompo, eny maty
 Dia tsy mivadika Aminao !
 Hianao no velona ao anaty,
 Ka doria, ny foko ho Anao !</lyrics>
<title>Inona no hahasaraka ahy FFPM486</title>
<hymn_number>486</hymn_number>
</song>